VLM
Alaivo

Vokovokomanga Loterana Malagasy

Ny antoko mpihira manontolo, ao anaty application iray.

Fandaharam-potoana, tononkira, solfa, feo, Fihirana ary hafatra eo amin’ny mpikambana. Mandeha na tsy misy internet aza.

Version 1.1.6 · Android 7+ · Maimaim-poana, tsy misy dokam-barotra

Mbola am-pitsapana ao amin’ny Play Store ny VLM: alaivo eto ny APK, na angataho ny hidirana ao amin’ny Play Store. Ho an’ny Android ihany aloha.

Ny ao anatiny

Izay rehetra ilain’ny antoko mpihira, amin’ny toerana iray

Ny zavatra nifampizarana tamin’ny hafatra, sarin-tsolfa ary antso an-tariby taloha dia tafangona ato avokoa.

Ny takelaka Actualité: agenda misy kaonseritra sy atrikasa ho avy

Takelaka Actualité

Ny fandaharam-potoanan’ny antoko mpihira

Kaonseritra, fampisehoana ary atrikasa, miaraka amin’ny daty, ny toerana, ny sary ary ny torolalana ilaina. Hitan’ny rehetra ny agenda, na ireo tsy manana kaonty aza.

  • Miseho lehibe ny daty akaiky indrindra, miaraka amin’ny isan’ny andro sisa.
  • Tsindrio ny hetsika iray dia hita ny ora, ny toerana ary ny sary.
Ny takelaka Bibliothèque: hira voalamina isaky ny album sy sokajy
Solfa PDF an’ny hira iray

Takelaka Bibliothèque

Ny hira rehetra, miaraka amin’ny tononkira, solfa ary feo

Ny hira tsirairay dia manana ny tononkirany, ny solfany (PDF), ny feo voarakitra ary ny zavamaneno. Voalamina isaky ny album, ary azo karohina amin’ny lohateny na ny anaran’ny mpamorona.

  • Tononkira voalamina isaky ny andininy, misongadina ny fiverenany, azo aseho amin’ny efijery manontolo.
  • Mpamaky feo natao hianarana: ovay ho zavamaneno ny feo nefa tsy very ny toerana misy anao, avereno ny andalana iray, ahenao ny hafainganana.
  • Mitohy ny feo na mihidy aza ny efijery.
  • Avoahy ho PDF ny tononkira, dia zarao amin’ny mpiara-mihira.
  • Hira gasy
  • Salegy
  • Beko
  • Kalon’ny fahiny
  • Bagasy
  • Basesa
  • Batrelaka
  • Baroque
  • Classique
Ny Fihirana: soratana ny laharana 29 dia misokatra ny hira

Takelaka Bibliothèque Fihirana

Ny Fihirana, araka ny laharany

Laharana no anononana ny hira any am-piangonana, ka laharana koa no soratana eto: tsindrio ny isa dia misokatra avy hatrany ny hira. Azo karohina amin’ny lohateny koa.

  • Mijanona eo am-pelatanana ireo hira nosokafanao farany.
  • Azo vakiana na tsy misy internet, ary tsy mila kaonty.
Resaka ao amin’ny vondrona Général

Takelaka Messages

Ny resaky ny antoko mpihira

Vondrona isaky ny feo na isaky ny komity, ary hafatra mivantana eo amin’ny mpikambana ao amin’ny antoko mpihira iray ihany.

  • Soprano
  • Alto
  • Ténor
  • Basse
  • Mahazo fampandrenesana ianao rehefa misy hafatra vaovao.
  • Azo tatitra ny hafatra tsy mendrika, ary azo sakanana ny mpikambana manelingelina.

Takelaka Moi → Hors ligne

Mandeha na tsy misy internet

Alain’ny application mialoha ny solfa, ny feo, ny tononkira, ny agenda ary ny resaka. Ao amin’ny efitrano tsy misy réseau dia mbola azo vakiana sy henoina avokoa.

  • Ny hafatra nosoratana tsy nisy internet dia lasa ho azy rehefa miverina ny connexion.
  • Azonao fafana amin’ny fotoana rehetra izay nalaina, raha feno ny finday.

Ataovy vao avy mametraka

Midira ao amin’ny Moi → Hors ligne dia alefaso ny « Télécharger en Wi-Fi uniquement ». Amin’izay tsy lany ny data-nao.

Ny karatra Hors ligne: Stockage hors ligne, Télécharger en Wi-Fi uniquement, Synchroniser maintenant

Ary koa

  • Antoko mpihira maromaro

    Mihira amin’ny VLM mihoatra ny iray ve ianao? Mifindra avy ao amin’ny Moi → Changer de chorale.

  • Ho an’ny tompon’andraikitra

    Manasa mpikambana amin’ny email, manaiky ny fangatahana hiditra, mamoaka hetsika, mampiditra hira sy album. 1 Go ho an’ny antoko mpihira tsirairay.

  • Voahaja ny fiainanao manokana

    Tsy misy dokam-barotra, tsy misy fanaraha-maso. Azonao fafana avy ao amin’ny application ny kaontinao sy ny angon-drakitrao.

  • Amin’ny teny frantsay aloha

    Mbola amin’ny teny frantsay ny application. Ho avy ny teny malagasy. Mandra-pahatongan’izany dia amin’ny teny malagasy ny fampianarana eto ambany.

Fomba fiasa

Dingana efatra dia tafiditra ianao

  1. Alaivo sy apetraho

    Tsindrio ny « Alaivo ny application », sokafy ny rakitra vlm.apk, dia ekeo ny fametrahana. Jereo ny antsipiriany.

  2. Mamorona kaonty

    Sokafy ny VLM dia tsindrio ny « Créer un compte ». Fenoy ny anaranao, ny email-nao ary ny tenimiafina, dia safidio ny feonao: Soprano, Alto, Ténor na Basse.

  3. Safidio ny antoko mpihiranao

    Ao amin’ny « Votre chorale », tadiavo ny VLM misy anao dia safidio. Mbola tsy ao ve? Tsindrio ny « Créer une nouvelle chorale » raha tompon’andraikitra ianao.

  4. Hamafiso ny email-nao

    Mahazo code misy tarehimarika 6 amin’ny email ianao. Soraty ao amin’ny « Confirmez votre email ». Tsy tonga? Jereo ny spam, na tsindrio ny « Renvoyer le code ».

Mpikambana

Hiditra amin’ny antoko mpihira efa misy

  • Nahazo fanasana tamin’ny email ve ianao? Ampiasao io email io ihany rehefa mamorona kaonty: tafiditra ho azy ianao.
  • Tsy nahazo fanasana? Safidio ny antoko mpihiranao. Miseho ny « Demande envoyée »: ny tompon’andraikitry ny antoko mpihiranao no manaiky ny fangatahanao.
  • Rehefa nekena ianao dia midira indray: hitanao ny agenda sy ny hira rehetra.

Tompon’andraikitra

Hampiditra ny antoko mpihiranao ao amin’ny VLM

  • Safidio ny « Créer une nouvelle chorale », dia omeo anarana sy fanazavana fohy ny antoko mpihiranao.
  • Miseho ny « En attente d’approbation »: ny ekipa VLM no manamarina. Mahazo email ianao ao anatin’ny 48 ora.
  • Rehefa nekena: manasà mpikambana, ampidiro ny hira, avoahy ny agenda avy ao amin’ny Moi → Gérer l’organisation.

Fametrahana

Ny fametrahana ny APK, tsikelikely

Ny fomba haingana indrindra: alaivo eto ny rakitra APK. Indray mandeha ihany no atao. Tianao kokoa ny Play Store? Jereo eto ambany.

Alaivo ny application (APK)

Version 1.1.6 · Android 7+

  1. Alaivo ny rakitra

    Tsindrio ny bokotra, amin’ny Wi-Fi raha azo atao satria lehibe ny rakitra. Voatahiry ao amin’ny Téléchargements ny vlm.apk. Raha manontany ny navigateur hoe « Fichier potentiellement dangereux » dia safidio ny « Télécharger quand même ».

  2. Sokafy, dia omeo alalana

    Tsindrio ny rakitra. Raha miseho ny « Pour votre sécurité, votre téléphone n’est pas autorisé à installer des applications inconnues », tsindrio ny Paramètres dia alefaso ny « Autoriser cette source », avy eo miverina.

  3. Tsindrio ny « Installer »

    Mety hanontany i Google Play Protect satria mbola tsy ao amin’ny Play Store ny application. Safidio ny « Installer quand même ».

  4. Sokafy ny VLM

    Miseho eo amin’ny efijerin’ny findainao ny sary famantarana VLM, dia ny Raozin’i Lotera. Tsindrio, dia mamorona kaonty.

Eto amin’ity pejy ity ihany no alao ny APK. Aza mametraka rakitra VLM nalefan’olona tamin’ny hafatra.

Play Store

Na apetraho avy ao amin’ny Play Store

Mbola am-pitsapana (test fermé) ao amin’ny Play Store ny VLM: ireo voasoratra ho mpitsapa ihany no mahita azy. Ny tombony: kely kokoa ny rakitra alaina, ary ny Play Store no manavao ho azy ny application.

  1. Alefaso aminay ny adiresy Gmail-nao

    Ilay kaonty Google ampiasain’ny Play Store eo amin’ny findainao. Raha tsy fantatrao: sokafy ny Play Store dia tsindrio ny sarinao eo an-tampony havanana.

  2. Andraso ny valinay

    Ampidirinay ao amin’ny lisitry ny mpitsapa ny adiresinao, dia hamaly anao izahay. Mety haharitra ora vitsivitsy vao hita ao amin’ny Play Store izany.

  3. Ekeo ny fitsapana, dia apetraho

    Sokafy eo amin’ny findainao ity rohy fitsapana ity, tsindrio ny « Devenir testeur », avy eo apetraho ny VLM ao amin’ny Play Store.

Efa nametraka ny APK avy amin’ity pejy ity ve ianao? Tsy mila esorina: fantatry ny Play Store izy, ka izy no hanohy ny fanavaozana.

Fampianarana

Horonantsary fohy, amin’ny teny malagasy

Lohahevitra iray isaky ny horonantsary. Tsindrio izay mifanaraka amin’ny olanao: haingana kokoa noho ny manoratra email.

Ho an’ny mpikambana rehetra

    Ho an’ny tompon’andraikitra

      Fanontaniana matetika

      Tafahitsoka? Jereo eto aloha

      Tsy tonga ny code misy tarehimarika 6.

      Miandrasa roa minitra, dia jereo ny spam (courriers indésirables) ao amin’ny email-nao. Raha mbola tsy ao dia tsindrio ny « Renvoyer le code ». Hamarino koa fa tsy diso ny email nosoratanao. Raha mbola tsy tonga ihany dia manorata aminay amin’ny WhatsApp.

      Mijanona eo amin’ny « Demande envoyée » na « En attente d’approbation » aho.

      Tsy olana izany, fa miandry fankatoavana ianao.

      « Demande envoyée »: ny tompon’andraikitry ny antoko mpihiranao no manaiky. Ilazao izy hijery ao amin’ny Moi → Gérer l’organisation → Membres → Demandes d’adhésion.

      « En attente d’approbation »: antoko mpihira vaovao no noforoninao, ka ny ekipa VLM no manamarina. Mahazo email ianao ao anatin’ny 48 ora.

      Hadinoko ny tenimiafiko.

      Eo amin’ny pejy fidirana, tsindrio ny « Mot de passe oublié ? ». Soraty ny email-nao: mahazo code misy tarehimarika 6 ianao, dia mifidy tenimiafina vaovao.

      Tsy hitako ao anaty lisitra ny antoko mpihirako.

      Mbola tsy voasoratra ao amin’ny VLM izy. Ilazao ny tompon’andraikitrareo hamorona azy (« Créer une nouvelle chorale »). Rehefa neken’ny ekipa VLM dia hitanao ao anaty lisitra.

      Tsy mety apetraka ny APK.

      Hamarino ireto telo ireto: Android 7 na mihoatra ny findainao; misy toerana malalaka ao aminy; ary nalefanao ny « Autoriser cette source ». Raha miseho ny « Problème d’analyse du package » dia tapaka ny fakana: alaivo indray ny rakitra, amin’ny Wi-Fi raha azo atao.

      Misy ho an’ny iPhone ve?

      Mbola tsy misy. Ho an’ny Android ihany aloha ny VLM. Hambara eto rehefa vonona ny an’ny iPhone.

      Mandany data be ve ny application?

      Maka ny solfa sy ny feo mialoha ny application mba hampiasaina tsy misy internet. Midira ao amin’ny Moi → Hors ligne dia alefaso ny « Télécharger en Wi-Fi uniquement »: amin’ny Wi-Fi ihany vao maka izy. Azonao fafana koa izay nalaina amin’ny « Supprimer les téléchargements ».

      Tsy hitako ny bokotra « Télécharger » hizarana solfa na feo.

      Ny tompon’andraikitry ny antoko mpihira no manome alalana hizara rakitra. Angataho aminy. Na tsy misy an’io alalana io aza, dia mbola azonao vakiana sy henoina ao anatin’ny application ny zava-drehetra, na tsy misy internet aza.

      Ahoana no ahazoana ny version vaovao?

      Ny fanatsarana madinika dia tonga ho azy: sokafy ny application rehefa misy internet. Raha misy version vaovao lehibe dia apetraka eto amin’ity pejy ity ny APK vaovao: alaivo dia apetraho eo ambonin’ilay taloha. Tsy very ny kaontinao.

      Mila vola ve?

      Tsia. Maimaim-poana ny VLM, tsy misy dokam-barotra, tsy misy zavatra vidiana ao anatiny.

      Ahoana no hamafana ny kaontiko?

      Ao amin’ny application: Moi → Supprimer mon compte. Raha tsy afaka misokatra ny application dia jereo ny pejy famafana kaonty.

      Fanampiana

      Mbola tsy voavaha?

      Manorata aminay. Mba ho haingana ny valiny, lazao: ny findainao sy ny version Android, ny pejy nisy anao, izay nataonao, ary ampio sary (capture d’écran) raha azo atao.

      WhatsApp

      WhatsApp: +261 38 83 431 54
      Email: contact@fredoandrianaivo.com